Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teo Ampefiloha, manakaiky ny Lisea teknika na LTC, afak’omaly maraina. Voafingan’ny « trottoir» afovoany raha iny nanapaka niampita ny arabe ny mpandeha iray.
Nitrotrongy teo amin’ny lalana ilany izy ka notatazan’ny fiara nirimorimo. Voadona sady voahitsaka ka maty tsy tra-drano ilay lehilahy. Raha ny filazan’ny nanatri-maso, nandeha faingana izy ary saika hananika ilay fisasahan’ny lalan-droa mifanena kinanjo diso fanainga tongotra ka nitsikasina avy hatrany. Mitaraina ny mponina eny an-toerana fa tsy manaja mpandeha miampita lalana ireo fiara rehetra hatrany Ampefiloha CNaPS ka hatrany Andavamamba hihazo an’i 67ha. Araka ny fehezan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, vao manitsaka ilay tsipika fotsy diavin’ny mpiampita ny tongony dia mijanona avy hatrany ny fiara ary manome alalana ireo mpandeha an-tongotra. Ny ankamaroan’ny mpampiasa fiara eto an-drenivohitra, indrindra ireo leo fitohanana no miridana mihoatra ny hafainganam-pandeha azo ekena an-tanàn-dehibe.
Haja Nirina
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.