Actualités

Ampasika Vehivavy voalaza fa mpamosavy tratran’ny fokonolona


  • Talata 03 Febroary 2015

Vehivavy iray tokony ho 35 taona eo ho eo no niboridana tanteraka tratran’ny fokonolona teny Ampasika omaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Raha ny voalazan’ireo mponina dia heverina fa mpamosavy ity vehivavy ity

. Efa ela no nahenoana ny asa ratsy ataon’ity ramatoa ity, hoy ireo mponina ary betsaka amin’ireo mpiray monina ihany koa no voalaza fa efa lasibatra. Araka izany dia tsy manaiky ireo olona nahatratra ilay ramatoa fa tsy maintsy hofaizina ity farany. Nisy ny daroka sy vono nataon’ireo olona saingy tsy nihontsona ilay ramatoa fa ny tenany fotsiny no mangana. Nisy mpitandro ny filaminana tsy lavitra teo saingy tsy nahavita na inona na inona. Raha ny hita moa dia nentin’ireo mponina nanaraka ny moron’Ikopa ilay vehivavy voalaza fa mpamosavy ary nitohy hatrany ny daroka. 

Tojo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT