Actualités

Ampasampito Frantsay iray nihantona tao anaty hotely


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Teratany frantsay iray no tazana efa maty fa nihantona tao amin’ny efitranom-bahiny nisy azy teo Ampasampito.

 

Mpamafa trano sendra hanadio ny efitrano no nahatazana voalohany ny vatana mangatsiakany ny alin’ny zoma 3 mey teo. Nahatsikaritra mantsy ity farany fa efa tapitra ny fe-potoana ijanonany tao amin’ny hotely nefa tsy hita nivezivezy nivoaka sy niditra ity  teratany vahiny ity, araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena, Tsy nisy ratra na diana vono ny vatany fa nahitana valopy roa samihafa kosa tao an’efitra nisy azy izay milaza fa sitrapony izao fahafatesana izao, ary ampitainy amin’ny polisy sy ny zandary izany. Ny mpitandro ny filaminanana misahana ny ady amin’ny heloka bevava no mandray ny raharaha. Nahabe resaka tamin’ny tambajotran-tserasera ireo fehezanteny heverina fa mifono famonoan-tena ireo : “mes dernières volontés”, “à l’attention de la police ou de la gendarmerie de Madagascar”. Efa any amin’ireo mananampahefana ny raharaha ka miandry ny tohiny. Mitana ny mpanara-baovao hatrany mantsy ny tsy nahitana ratra na vono tamin’ny vatany, araka ny fizahan’ny polisy na dia nananton-tena aza izy. Midika izany amin’ny fijery iray fa tsy nisy namono tamin’ny kapoka. Lafiny hafa anefa, raha nananton-tena no nahafaty azy, maninona no tsy misy dia ana ratra na vono, na dia farafaharatsiny ilay tady teo amin’ny tendany ? Mbola mizaha ny antony ny mpitandro filaminana. Ahiana ho tonga hatrany amin’ny hoe nisy namono fa mody nasiana taratasy teo na novonoina tamin’ny fomba hafa satria raha nisotro zava-mahafaty izy izay tsy isian’ny ratra tsy tokony nanantona ny tenany, ka ahiana mety efa maty vao nahantona..

 

Haja Nirina

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT