Actualités

Amparafaravola Dahalo notifirina ampahibemaso


  • Alatsinainy 21 Martsa 2016

Nirefotra ny basy, maty niankohoka ilay dahalo. Dahalo raindahiny,

 

 mpangalatr'omby tamin’iny Distrikan’Amparafaravola iny no maty notifirin'ny zandary avy ao an-damosiny, tao Analakininina Dépôt omaly alahady 20 martsa, tamin'ny 5ora maraina, taorian'ny nitazonana azy sy nanaovana famotorana azy efa herinandro. Tsy vao sambany any amin’iny faritra iny ny tranga fitifirana ankitsirano toy izao. Inona no vokany ? Tsy nampihemotra ny dahalo hanohy ny asa ratsiny. Manome rariny ny fitsaram-bahoaka indray koa aza, satria izao no midika fa na ny mpitandro ny filaminana aza tsy matoky ny Fitsarana, ka dia aleony vonoina, dia tsotsorina ny resaka fa saika nandositra ilay dahalo. Manaiky daholo ihany koa ny rehetra, eny fa na ireo fikambanana miseho ho sarotiny amin’ny fanajana ny zon’olombelona aza, dia mijanona sy vitavita ho azy eo ny raharaha.

Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT