Actualités

Ampanjaka sy ny zanak’Andriana Miantso fanovana ifotony koa


  • Sabotsy 05 Novambra 2016

Iaraha-mahalala fa maherin’ny 1 tapitrisa any amin’ny faritra atsimo no maty noana ary 95% ny Malagasy no mahantra ankehitriny, hoy ny filohan’ny fiombonamben’ny Ampanjaka sy ny zanak’andriana, raha naneho hevitra mikasika ny raharaham-pirenena tetsy Antaninarenina omaly.

Tsy azo iandrasana intsony fa mila fandraisana andraikitry ny tsirairay izany, hoy izy, ka dia miantso ny Malagasy rehetra mba hiara-kientana amin’ny fanovana ifotony eto amin’ny firenena. Efa manana tolo-drafitra mifototra amin’ny rafi-piarahamonina sy soatoavina Malagasy izahay, hoy izy ireo, satria izay no ahafahantsika manarina ny firenena. Sarotiny amin’ny azy ny firenen-kafa, hoy ny tenany, ka aoka koa isika mba hanao toy izany. Tsy azontsika adinoina koa, hoy izy, fa Jesoa kristy dia mpanjakan’ny mpanjaka sy tompon’ny tompo ka dia manaja an’Andriamanitra Andriananahary isika ary mitaona ny mpiray firenena mba hino izany, hoy hatrany ny fanazavany, mba hisian’ny fitahiana sy fanavotana ho an’ny firenena.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT