Mirongatra ny fihazana sokatra ataon’ny olona any amin’iny Distrikan’Ampanihy Andrefana iny. Ny fiandohan’ny herinandro teo dia sokatra velona miisa 14 sy kitozan-tsokatra 8 gony be izao no sarona tany an-toerana
. Olona miisa folo avy any amin’ny Kaominina Ifotadrevo no voasaringotra amin’ity fihazana sokatra an-tsokosoko ity, izay tena nirongatra tokoa tao anatin’ny tetezamita nefa biby arovana eto Madagasikara noho izy ireo ahiana ho lany tamingana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.