Teny amin’ny “parking” sekoly tsy miankina iray eny Ampandrianomby no nitranga ny raharaha ny 11 septambra 2015.
Fiara nametraka olona haka mpianatra no novelesina lehilahy iray ankitsirano tamin’ny sabatra ka montsana ny fitaratra. Tsy vitan’izay fa saika mbola holerany koa ilay rahangy mpitondra ny fiara sady tompony rahateo. Nametraka fitoriana ity farany. Manao izay fomba rehetra hampandamoka io fitoriana io anefa ilay mpanao herisetra, mba ho tsy matimanota ka mampiahiahy ny mpanaraka ity raharaha ity.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.