Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly alarobia 25 septambra 2019 ny “PHO Resto” etsy Ampandrana Bel’Air.
Mampisongadina ny sakafo sy nahandro vietnamianina, izay no nahatonga ilay anarany satria ny hoe : “Phô” dia lasopy mampiavaka ity firenena iray ity, manasongadina ny tsirona henan’omby.Mikarakara sy mandroso endri-tsakafo hafa ihany koa anefa ny “PHO Resto” ka anisan’izany ny nahandro Malagasy toy ny tripy sy henan-kisoa, ny lelan’omby nohaingoana amin’ny dipoavatra… Manomboka any amin’ny tsakitsaky, ny vary sy ny laoka atoandro, ireo lasopy sy sakafo vita amin’ny hena na akoho sy ny desera dia aroso ao avokoa. 10 minitra raha be indrindra ny fotoana hampiandrasana ny mpanjifa. Atao ho vaindohan-draharaha ny fahafahan’ny mpanjifa misakafo tsara ka hanomezana azy tolotra mifanaraka amin’izany, hoy Razafitrimo Honty, mpitantana ity toeram-pisakafoana ity. Tombony iray ho an’ireo mpisakafo ihany koa, ny fahafahana mitafa amin’ity mpanakanto ity, izay mpitendry gitara beson’ny tarika Ambondrona. Tolotra manokana hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ao amin’ity toeram-pisakafoanana ity ihany koa ny “Wifi” izay maimaimpoana ho an’ireo sady misakafo no tsy maintsy miasa na ireo mila izany tsy an-kiato. Manomboka amin’ny 11ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 9 ora alina no fotoana handraisana ny mpanjifa.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.