Niparitaka sy niteraka resabe tany anaty tambajotran-tserasera omaly ny karazana ampamoaka nataona olona nilaza fa nanohana sy nampandany an-dRajoelina tamin’ny fifidianana filoha.
Tsy fantatra mazava na fitia te hanaratsy na tena marina ny voalazan’ilay kaonty amin’ny anarana “Be Elysé”, izay misy sarina lehilahy iray maneho tokoa fa nanohana ny filoha ankehitriny. « Tonga amin’ny fotoana izay tsy maintsy hangalana fepetra hentitra. Matoa izahay Atoa filoha hajaina Andry Rajoelina nanao ny fomba rehetra sy nampiasa ny hery sy fangalaram-bato izay mba azonay natao noho izahay leo tamin’ny fitondrana nisy teo aloha. Noho izany, raha mbola ireo tsy sitrakay vahoaka maro an'isa no tendrenao ho Depioten’i SAVA (Sambava, Antalaha, Vohémar ary Andapa) dia aleo hitsangana ho antoko mpanohitra izahay nitolona rehetra satria leo amin’ny zavatra ataonao izahay tompoko (conseil des sages, interview…sns). Matoa izahay namono tena nanao tolona nanomboka teny amin’ny 13 mey, mila fanovana tanteraka ka ho fahavalonao izahay vahoakan’i SAVA raha mbola ireo mpijapy lamasinina no hapetrakao ho solonay vahoaka mpitolona hatrizay ...! Taiza moa ireo hatrizay ... ? Naninona tamin’ny fotoana sarotra ry zareo tsy mba nameno « fiche d'adhesion » ... ? Izahay no lany fotoana sy noesoina tamin’ny fotoan-tsarotra nandalovan'ny antoko TGV 5 taona lasa izay, izahay tsy hanaiky raha mbola ireo dahalonao ambony latabatra ireo no hapetrakao ho depiote TGV aty SAVA. Tsy izany no nifidiananay anao aleo hazava tsara aminao sy ny ekipanao izany mba tsy hifanomezan-tsiny eh ! », hoy io hafatra io. Tsy tongatonga ho azy, ka asa izay mety ho valin-kafatry ny manodidina ny filoha. Raha milaza izy ireo fa tsy marina io, dia mazava fa hisy ny fikarohana io olona namoaka hafatra niteraka resabe io, izay fahafaham-baraka ho an’ilay filoha sy ny ekipany satria niresaka hala-bato sy tetika maloto tsy fanao manaratsy endrika hatrany an-dRajoelina io. Niandry tambiny izany ny an-kilany noho ny fanohanana nataony hatrizay kanefa ny hafa no mitady hiravaka ny vanginy hotohanana ho kandida depiote, hany ka vaky ny afera aty aoriana, raha io resaka io no zohiana ka andrasana izay mety ho setriny.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.