Siteny Randrianasoloniaiko hitory an’i Fleury Rakotomalala amin’ny fitsarana eto Madagasikara sy any Frantsa.
Tena manala baraka sy miteniteny foana io rangahy io, hoy ity depiote IRD voafidy tao Toliara 1 ity. Efa tena miomana amin’izany aho sy ireo mpisolovava ahy, hoy izy nandritra ny fanehoan-kevitra mivantana nataony tamin’ny tambajotra facebook halina. Asehoy ny antontan-taratasy manaporofo fa nivarotra an’i Toliara aho, hoy ny depiote Siteny.Aoka tsy hifanendrikendrika na momba an’i Toliara izany na momba ny fitrandrahana ataon’ny orinasa Base Toliara. Ny faran’ny herinandro teo moa no nilaza tamin’ny facebook i Fleury Rakotomalala fa hanao ampamoaka sy hamaky bantsilana ny zavatra tsy mety nataon’i Siteny Randrianasoloniaiko ka nilazan’ity farany fa lainga izany ary tsy hanaiky izy fa tsy maintsy hamaly. Asehoy marina ny porofo raha misy dia any amin’ny fitsarana mifanazava; raha tena tia ny Malagasy i Fleury Rakotomalala dia modia aty Madagasikara mba manao asa soa, hoy hatrany ny depiote Siteny.Fizarana voalohany ihany moa no natao omaly, hoy ity solombavambahoaka ity fa mbola maro ny zavatra hambarako amin’izay momba an’i Fleury Rakotomalala. Tsy mety ary tsy azo ekena ny fampiadiana ny samy Malagasy ataon’io “bandy” io, hoy i Siteny Randrianasoloniaiko. Tetsy an-kilan’izay moa dia niresaka mivantana tamin’ny facebook ihany koa halina i Fleury Rakotomalala namaly bontana ny depiote Siteny ka nilazany fa tsy madio ity depiote ity ary efa maro ny fanadihadiana nataony; tsy mampanahy na dia alefanao aty amin’ny tranoko avokoa aza ny tafikanao, hoy i Fleury Rakotomalala.Tantara mitohy !
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.