Sefom-pokontany lany hitantana ny fokontanin’Ampahimanga eny amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanambola Avaradrano Ramaromanana Rina,
taloha kelin’ny fifidianana ben’ny tanàna notanterahina ny volana 31 jolay 2015. Fantatra fa miezaka mafy amin’ny fanentanana ny mponina ao amin’ity fokontany ity hitandro ny fahadiovan’ny tanàna ny lehilahy ankehitriny ka mitarika an’ireo tsara sitrapo manadio ireo lalankely sy lakandrano mamakivaky ny tanàna. Efa ezaka vita vao tsy ela akory izay ny fanaovana rarivato ny lakandrano 15 m manelanelana ny sekoly Lycée Pionnier sy ny Csb II eny an-toerana ary koa ny fanadiovana ny lakandrano manamorona ny arabe miainga eo amin’ny fiantsonan’ny taksibe ka hatreny ambanin’io Csb II voalaza teo io ihany. Ezaka tolo-tanana no atao amin’izany, hoy ity sefom-pokontany ity. Ankoatra ireo tsara sitrapo manatanteraka ny asa dia entanina koa ireo manan-katao ao amin’ny fokontany amin’ny fanampiana ara-pitaovana toy ny fanomezana simenitra … sy ara-bola ihany koa hoenti-manatanteraka ny asa.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.