Actualités

Ampahateza Ambohipo Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy ny mponina


  • Alatsinainy 24 Aprily 2017

Mandrahona ny hihetsika noho ny delestazy lavareny iainany isan’andro ireo mponina ao amin’ny fokontany Ampahateza Ambohipo. Efa ho roa volana latsaka izy ireo izao no niaina izany, ka ora telo isan’andro raha kely no tapaka ny jiro.

 

 

 Tsy miova anefa ny faktioran-jiro takian’nyJirama fa vao mainka mitombo aza. Vokany, manjaka ny tsy fandriampahalemana. Betsaka amin’ireo mponina ao an-toerana koa  no simba fananana toy ny fahitalavitra, ny vata fampangatsiahana vokatry ny delestazy izay fantatra ihany koa fa miverina tampoka ka mifangaro amin’ny fiakaran’ny herinaratra. Tsy vitsy ihany koa anefa ireo very asa tsy fidiny toy ny mpanamboatra sy glasy  izay efa nampitsahatra ity asa fivelomany ity mihitsy. Ho an’ireo manan-janaka hiatrika ny fanadinam-panjakana toy ny CEPE sy ny BEPC ary ny Bakalôrea kosa dia mahalany 1.000 Ar isan’andro izy ireo hividianana labozia hianaran-janany satria manomboka amin’ny 7 ora hariva amin’ny ankapobeny no tapaka ny jiro isan’andro. Nanambara moa ireo mponina fa raha tsy misy ny vahaolana raisin’ny fitondram-panjakana mifandraika amin’izany dia hihetsika izy ireo.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT