Miitatra mihitsy ny sain’ireto Kelimaso ireto amin’ny fanangonana ny tany hanaovana toeram-pivarotana eny Behoririka eny. Fantatra izao ary efa mampitaintaina ireo
mpivarotra amoron-dalana nomena ny toerana sy nanangana tranoheva eo amoron’ny farihin’i Behoririka iny fa kasain-dry zareo halaina indray izany tany izany miaraka amin’ny toeram-piantsonan’ny fiarakodia eo an-kilany mba hanaovan-dry zareo sinoa ireto toeram-pivarotana moto indray. Ireo tompon’ny trano fivarotana maro etsy Behoririka ihany moa no manana ity fikasana ity. Ny iraka nalefan’ireto be atidoha ireto no nanambara tamin’ireo mpivarotra Malagasy eny an-toerana fa hohatsaraina sy homena endrika vaovao manara-penitra ny toerana mba hanome endrika ihany koa ilay farihy na ranomaimbon’i Behoririka, hoy ny fiantson’ny maro azy. Azo antoka ny hisian’ny fitomboan’ny fitohanan’ny fifamoivoizana eny an-toerana raha ity tetikasa ity no tanteraka eo satria tsy maintsy ho sarotra ny hahita fiantsonana fiara eny an-toerana ary tsy maintsy hidina an-dalambe indray hivarotra ireo nanana tranoheva teo. Tsy nisy nanamarina ny fisian’izany ny ambaratongam-pahefana tokony hiandraikitra io toerana io. Nisy kosa anefa ny fampiomanana nataon’olona, iraky ny mpandraharaha jaka ny toerana. Voalazan’izy ireo tamin’ny mpampiasa ireo toerana ireo fa ho fanatsarana sy fanomezana endrika io farihy io no kendrena ka efa neken’ny manampahefana ambony. Hamorona asa betsaka ho an’ny mponina manodidina rahateo ny tetikasa, hoy ireto iraka ireto, ka tsy tokony hasiana olana sady tsy ho azo sakanana. Handrasana kosa aloha hatreto ny fanamarinan’ny ambaratongam-pahefana ao amin’ny kaominina tokony hiadraikitra an’izany fa loza mitatao amin’ny fiarahamonina indray izany ao anatin’izao ankatoky ny fety izao ka mba tokony hojeren’ny manampahefana eto amin’ny firenena manokana ihany .
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.