Omaly talata 23 oktobra tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy no navoakan’ny Amnesty International tamin’ny fomba ofisialy ny tatitra mahakasika ny fanadihadiana nataon’izy ireo mitondra ny lohateny hoe « Voasazy satria mahantra ».
Fanadihadiana mahakasika ny fitanana am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny, tafahoatra ary mitarazoka eto Madagasikara no notanterahin’izy ireo. Nanambara izy ireo tamin’ny tatitra nataony fa tsizarizary ary mahaontsa ny fepetra fitazomana ny voafonja eto Madagasikara raha tsy hilaza fotsiny ny tsy fahampian’ny sakafo sy ny fahasalamana tsizarizary izay mahatonga ny aretina sy ny fahafatesana. Nanamafy ihany koa ny Amnesty International fa ny ankamaroan’ireo olona voafonja ireo dia tsy voaheloka ary miandry fisarana avokoa. Ny fitsarana heloka bevava aza moa dia tsy mitsara raha tsy in-2 isan-taona monja ihany ka mampisavovona ny olona voatana ao. Antso sy fitakiana fihaonana amin’ny fitondram-panjakana sy ny tompon’andraikitra no nataon’ny mpikambana ao amin’ny Amnesty mba hampihena ny olona voatazona any am-ponja vonjimaika, indrindra hijery manokana ireo mahantra tsy mba manana mpisolovava.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.