Lehilahy miisa valo voarohirohy ho mpangalatra omby no namoy ny ainy tamin’ny fomba feno habibiana hoy ny amnesty international tamin’ny fanambarana nataony tamin’ny voalohany volana febroary lasa teo.
Vata mangatsiaka rakotra bala no navoakan’izy ireo tamin’ny sary ary nanambarany fa manao herisetra tafahoatra ny mpitandro ny filaminana Malagasy. Tsiahivina fa lavon’ny mpitandro filaminana taorian’ny fifanandrinana tany Betroka tamin’ny 25 janoary lasa teo ireo olona ireo araka ny loharanom-baovao. Ity trangana vono olona ity dia mbola maneho indray fa mampiasa herisetra izay tsy izy ny mpitandro filaminana eto Madagasikara eo am-panatanterahana ny asan’izy ireo nefa tsy iharan’ny sazy hoy i Tigere Chagutah filoha mpanampin’ny Amnesty international. Tokony hanokatra fanadihadiana lalina tsisy hatak’andro manoloana ity tranga ity ny fitondram-panjakana araka ny voalazan’izy ireo ary raha voaporofo tokoa ny fampiasan-kery dia tokony entina manoloana ny fampanoavana ny olona rehetra voakasika amin’izany mba hiatrika fitsarana tsy mitanila. Araka ny fitan-tsoratra ofisialy mantsy dia olona manodidina ny 4000 no maty tany atsimon’i Madagasikara nandritra ny dimy taona farany, tafiditra ao amin’io antontan’isa io avokoa na ny dahalo na ny mpitandro filaminana na ny olon-tsotra. Izany moa dia vokatra tamin’ny ady ataon’ny fanjakana ny amin’ny fangalaran’omby. Anisan’ny fampanantenana nataon’ny filoha vaovao ankehitriny ny ady amin’ny fangalaran’omby ka tokony hataony voalohany amin’izany ny fampanarahan-dalana amin’ireo mpitandro ny filaminana ary tsy tokony ho afaka madiodio izay mbola minia mampiasa herisetra sy mamono olona. Tsiahivina fa araka ny lalana velona eto Madagasikara sy ny lalana iraisam-pirenena dia tsy azo ataon’ny mpitandro filaminana ny mampiasa herisetra miteraka famoizana ain’olona tahaka ny tranga sahala amin’izao.
Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.