Actualités

Ambovombe Androy Tsy mbola voavaha ny kere


  • Talata 19 Aprily 2016

Tsy mbola voavaha ny olan’ny kere any amin’ny faritra atsimon’i Madagasikara.

 Ny tsy fahampian-drano no tena mbola olana ho an’ny mponina ka tsy ahafahana mamboly. Iny resaka fananganana « pipe-line » iny moa dia nandritra ny fotoana nampavaivay ny fahasahiranana ihany no re fa rehefa nandeha ny andro nivadika ho volana dia lefy ilay resaka ary tsy nisy tohiny intsony, hoy ny solontenan’ny mponina ao Ambovombe Androy. Tsy azo lavina fa nisy fotoana tokoa nilatsaka ny orana saingy tsy ampy nentina namonto ny tany hambolena akory izany. Ny fahitana rano fisotro madio anefa etsy an-daniny dia mbola mipetraka ho olana maharitra ho an’ny mponina ihany. Manampy trotraka izany ny tsy fisian’ny jiro. Tapaka lava ny jiro ao an-tampon-tananan’Ambovombe. Ny tsy fahampian’ny solika hampihodinana ny milina mpamatsy herinaratra no ambaran’ny mpiasan’ny Jirama any an-toerana fa fototry ny fahatapahana. Hatramin’izao dia tsy mbola misy vahaolana matotra amin’ny famatsiana rano ho an’ny faritra atsimo voavinavinan’ny fanjakana.

Andry Ratovo

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT