Actualités

Ambovombe Androy Potika ny tontolo iainana


  • Alarobia 13 Febroary 2019

Tsy mahagaga raha miverimberina hatrany ny kere any amin’ny faritra Atsimo.

 

 Simba tanteraka ny tontolo iainana any. Raha ny any amin’ny faritra Ambovombe Androy manokana dia nanambara ny depiote teo Aloha, Jean Michel Henri fa maloto tanteraka ny rivotra an-dranomasina sy ny an-tanety. Ny ala fiarovana voajanahary tsy misy intsony ary ny fambolena simba tanteraka. Noho izany fahasimbana rehetra izany dia tsy tonga intsony ny orana kanefa ny fambolena no foto-piveloman’ny olona any. Na ny voly efa maniry aza dia maty ho azy nohon’ny hainandro be tafahoatra. Ankoatr’izay dia misy akony amin’ny biby fiompy ihany koa izany fahapotehan’ny tontolo iainana izany satria tsy mahavelona azy ireo ny voly misy any. Maty ho azy ny biby ary ireo velona hamidy morabe satria mahia loatra. Misedra olana tanteraka ny mponina any satria tsy misy ny famatsiana rano. Maro anefa ny faritra afaka itaritana rano hanondrahana ny tanimboly sy hamatsy ny tanàna  tahaka ny ao Ampotaka, Antanimora, Antsira, Beratanta ary Manjary. Ankoatr’izay dia mila manao fambolena hazo haingana satria na ny anaovana ny kitay sy ny arina aza efa tsy misy intsony. Nanamarika ihany koa ity depiote teo aloha ity fa olana be ny lalana any ary na ny sakafo aza dia lafobe noho izany. Manginy fotsiny ny haban-tseranana ambony be izay mampikaikaika ny olon-tsotra sy ny mpandraharaha  alaina ao amin’ny seranan-tsambon’i Ehoala ao Fort Dauphin izay tokony hamatsy ny tanàna. Izany rehetra izany miteraka fatiantoka ara-toekarena any amin’ny faritra ka ilàna fandraisan’andraikitra avy amin’ny fanjakana hiteraka fampandrosoana eny ifotony.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT