Actualités

Ambovombe Androy Mamely mafy ny Kere


  • Alatsinainy 15 Febroary 2016

Ny fanambarana ofisialy no tsy mbola nisy fa efa loza mihatra amin’ny mponina any Atsimo ny tsy fahampian-tsakafo na ny kere.

 

Porofon’izany dia ankizy 42 avy ao Tsimananadano nafindra toerana haingana any Ambovombe ny sabotsy lasa teo mba hotsaboina. Taorian’ny fizaham-pahasalamana sy ny fitsirihana dia nambaran’ny mpitsabo fa iharan’ny tsy fahampian-tsakafo lalim-paka ny 4 tamin’izy ireo ka nampidirina avy hatrany tao amin’ny ivontoeram-paritry ny Médecins sans frontière (MSF) tao Ambovombe ihany, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny mponina.

Nisy maty

Nisy zazavavy 13 taona fantatra fa namoy ny ainy, telo herinandro lasa izay, araka ny tatitry ny talem-paritry ny fahasalamana any an-toerana. Tsy mbola voafaritra mazava ny antony marina nahafaty an’io zazavavy io saingy azo heverina fa noho ny kere no nahatonga izany. Efa nisy olona roa hafa koa namoy ny ainy tany an-toerana noho ny fiakaran’ny hafanana be loatra sy ny fanintona, raha ny fanazavana voaray ihany. Manamarina ny resaka nivoaka an-gazety efa ho iray volana izao, ny amin’ny fisian’ny kere goavana any Atsimo ny fihazakazahan’ireo manampahefana tonga tany Tsimananada sy Ankilindrano samy ao amin’ny distrikan’Ambovombe ny sabotsy lasa teo. Miteny ho azy ny sary rehefa mahita ny mponina any an-toerana. Manana ny fomba fijeriny sy ny fomba fiasany moa ny governemanta ka asa hoe miandry olona firy isa maty vao hiaiky fa efa kere io manjo ny mponina any Androy io ? Hisy moa ny fikaonandoham-pirenena hatao any Ambovombe Androy ny 19 sy 20 febroary ho avy izao hikarohana ny vahaolana maharitra momba ity olana ara-tsakafo any Atsimo ity, ka ho hita eo izay fanambarana mety hataon’ny governemanta. Na ahoana na ahoana anefa ambara dia antony fototra mamparofy ny mponina any Atsimo ny tsy fahampian-tsakafo ka mahatonga azy ireo ho mora handairan’aretina sy mety ho faty mihitsy aza. Mandra-piandry ny vahaolana maharitra dia nizara rano fisotro madio sy sakafo ho an’ireo mponina ireto aloha ny fitondram-panjakana ny faran’ny herinandro teo. Efa tena loza mihatra ny kere any Androy koa raha mbola mitaredretra sy be kabary fotsiny tahaka ny fanaony ny mpitondra fanjakana dia azo antoka fa hitombo isa ny olona ho faty. Ny mahagaga sy mahatalanjona eto amintsika moa dia aleon’ny mpitondra mandany 20 miliara ariary hikarakarana fivorian’ny Frankôfônia toy izay hikarakara ny Malagasy mpiray tanindrazana. Ny kere efa fantatra fa misy foana isan-taona ary vao miha nanamafy azy ny krizy niainan’ny firenena nandritra ny 5 taona. Raha tena hanova marina ny Hery Vaovao, dia inona no antony niandrasany 2 taona sy tapany vao hanao fikaonandoham-pirenena hikaroham-bahaolana momba ny kere ?


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT