Miha antitra sy miha simba ary mila soloina ireo fitaovana manaparitaka ny sary sy feo ao amin’ny Rnm-Tvm Ambositra
Tato anatin’ny andro maromaro izao dia tsy mahita intsony ny Tvm avy aty Antananarivo ireo mpijery ao Ambositra mampiasa ny fahitalavitra analôzia. Ireo manana « décodeur » ihany no afaka manaraka ny Tvm amin’izao fotoana izao. Ilay fitaovana manaparitaka ny sary ao Ambositra no simba, araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao, tsy misy mpanamboatra izany ka jerem-potsiny. Manoloana izany dia manomboka mahazo vahana indray ny tsaho sy ny honohono ao Ambositra. Aiza ny fitondrana ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.