Andro ratsy tao amin’ny sekolin’ny zandarimaria Ambositra ny zoma 14 aprily 2017. Mpiadina ho zandary roalahy nindaosin’ny fahafatesana tamin’io andro io, rehefa niatrika adina taranja hazakazaka.
Tsy nahatsiaro tena avy hatrany Randriamahazo Ulrich Edith, 22 taona avy any Mahajanga, rehefa nahavita ny halavirana 1000m. Taorian’ny fizahana maika nataon’ireo dokotera teo an-kianja dia nalefa teny amin’ny hopitalin’Ambositra izy io, saingy tsy tana ny ainy na niala nenina aza ny dokotera. Ny tolakandro tokony ho tamin’ny 3 ora dia nisy mpiadina lehilahy iray hafa, dia i Fanomezantsoa Herman Christophe, 28 taona, avy any Lopary Vangaindrano, namoy ny ainy tao amin’ny hopitalin’Ambositra ihany koa, taorian’ny hazakazaka 1000m toy izay ihany na dia efa nanaovana ny famonjena rehetra taminy aza izy teo an-kianja ka hatreny amin’ny hopitaly. Manamafy ny avy eo anivon’ny zandarimaria fa ny fizaham-pahasalamana natao talohan’izao adina ara-panatanjahan-tena izao dia nizahana ny fahatomombanan’ny fahasalaman’ireo mpiadina mba ahafahany manaraka ny fiofanana. Ho an’ireo namoy ny ainy ireo dia voalaza fa fanehoan-kery diso tafahoatra izay tsy eran’ny aina mba ho afaka amin’ny fifaninanana no antony nitarika ny fahafatesan’izy ireo. Miteraka resabe io tranga io. Ao no milaza fa mipoitra ny kolikoly amin’ny fandraisana mpiofana ho zandary. Nanomboka ny 10 aprily 2017 teo ny dingana faharoa amin’ny fifaninanana hidirana ho isan’ny 1200 mianadahy ao anatin’ny andiany faha-73 amin’ny mpianatra ho zandary ao amin’ny sekolin’ny zandarimariam-pirenena Ambositra. Raha tokony ho 1564 no noraisina tamin’ny dingana voalohany, dia 1541 ihany no namaly ny antso. Natomboka tamin’ny fizahana ara-batana sy fahasalamana ny dingana faharoa ka niisa 138 ireo nihintsana. Ny 119 tsy nahafeno ny halavana ilaina ka 24 ny vehivavy ; ny 19 kosa no hita fa nisy tsy fahasalamana ka 1 tamin’izy ireo no vehivavy. Nisy ihany koa ny mpiadina lehilahy 1 niala an-daharana an-tsitrapo. Raha atotaly dia 1401 no sisa afaka nifaninana ho amin’ny toerana 1200 izay ahitana ny hazakazaka, ny hakingan-tsaina ary ny fahalalana ankapobeny.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.