Actualités

AMBONIN’AMBOHIJATOVO Trano 3 no tsy maintsy horavana


  • Zoma 23 Janoary 2015

Trano miisa telo na efatra miorina eny Ambonin’Ambohijatovo, ambonin’ny tunnel no tsy maintsy horavana ato ho ato raha araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka omaly. Alana tsy misy hatak’andro ihany koa ireo fianakaviana ao anatiny hisorohana ny loza mety

 

hitranga. Io aloha no fepetra tsy maintsy noraisina omaly nandritra ny fidinana ifotony nataony teny an-toerana. Ankoatra izay dia nanome toromarika ireo mponina eny an-toerana ihany koa izy ny amin’ny tsy tokony hampiasan’ny fiara ilay lalana rarivato kely miditra any anaty tanàna  intsony noho ny fihotsahan’ny tany. Na izany aza dia nambarany fa tsy mbola misy atahorana aloha hatreto ny tonelina etsy Ambanidia. Mbola azo hampiasaina tsara izy io saingy tsy maintsy hisy hatrany ireo teknisianina hanara-maso ny fihotsahan’ny tany eny amin’ity toerana ity isan’andro, hoy hatrany izy hisorohana ny loza mety hitranga. Nilaza ny tsy maintsy hanatona ny PDS-n’Antananarivo Renivohitra Ny Hasina Andriamanjato moa ireto mponina tsy maintsy horavana trano ireto mba hitady famonjena. Tsara ny manamarika fa samy nahazo alalana avy tamin’ny kaominina hahafahany manorina trano avokoa ireo mponina eny an-toerana saingy notsindrian’ny minisitra kosa fa tokony ho  olona manana traikefa sy mandalina tsara no manome izany fahazoan-dalana izany hisorohana ny tahaka izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT