Actualités

Ambolamena Bongatsara Hiasa manomboka anio ilay EPP vaovao


  • Alatsinainy 13 Oktobra 2014

Mba ho fanampiana ireo mpianatra ao amin’ny Fokontany Ambolamena, kaominina Bongatsara tsy handeha dia an-tongotra lavitra rehefa mamonjy sekoly dia nahazo EPP vaovao izy ireo

. Ahitana efitrano miisa efatra izy io, famatsiam-bola avy tamin’ny minisiteran’ny fanapariaham-pahefana sy ny Fond de developpement local ary ny kaominina. Mitentina 24 tapitrisa Ariary ny totaliny ka ny 15 tapitrisa tamin’io dia avy amin’ny kaominina avokoa. Ny faran’ny herinandro teo no nanokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, lanonana natrehin’ny vadin’ny filoham-pirenena Rajaonarimampianina Voahangy, notarihin’ny Ben’ny Tanàna Rabearisoa Annick Hantanirina. Anisan’ny nisongadina nandritra ny lanonana fa afaka handray mpianatra manomboka anio Alatsinainy 13 oktobra ity EPP vaovao ity. Mpianatra miisa 150 no horaisiny, raha miisa 5 kosa ireo mpampianatra  handray  an-tanàna azy. Mba hisorohana ny olana anefa dia horaisin’ny kaominina an-tanana avokoa ny tambin-karaman’ireo mpampianatra FRAM. Nisy ny fanoloran’ny vadin’ny filoha latabatra fanoratana misy seza (table banc) miisa 80 nandritra izany raha mbola nampanantena ihany koa ny tenany fa hanome efitrano famakiam-boky ho an’ny mpianatra, efitrano miampy ny boky rehetra ilaina. Toraka izany koa ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay nanolotra latabatra misy seza miisa 50.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT