Nahitana lehilahy iray vao 30 taona monja hita maty teny Ambohitsorohitra omaly maraina tokony ho tamin’ny 6 ora. Mpibata ny entan’ireo hotely eny Antaninarenina sy ny manodidina io tovolahy io raha araka ny fitantaran-dreniny
. Miasa eny foana ity tovolahy ity isan’andro ary mody rehefa alina. Afak’omaly alina anefa dia tsy nody mihitsy izy. Namany iray akaiky azy no nampandre ny reniny fa mitsotra tsy afa-mihetsika eo anoloana magazay iray izy ka tamin’ny 5 ora sy sasany maraina no tonga nijery azy ireto farany. Ny zanako efa nivoaka lela, nisy ra nandeha ny vavany no hitako, hoy ilay reniny. Na izany aza dia mbola notsindrian’ity farany fa mbola nafampana ny vatany. Fotoana vitsy taorian’izay anefa dia namoy ny ainy ny tovolahy. Raha araka ny fitantaran-dreniny ihany dia roa volana lasa izay no efa nisy namono io zanany io izay tsy iza fa rafilahiny ihany. Niaraka tamin’ilay olon-tiany io tovolahy io no hitan’ny manodidina talohan’ny nahafatesany. Mbola nisangy teo akaikin’io magazay nahitana ny razana io izy roa nandritra izany saingy tamin’ny fotoana namohazan-dRamatoakely azy dia efa tsy nihetsika intsony izy. Tonga teny an-toerana naka ny razana ny dokotera avy eo anivon’ny BMH, natrehin’ny mpitandro ny filaminana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.