Actualités

Ambohitsara-Mandoto Azon’ny miaramila sy ny fokonolona ireo omby nalain’ny dahalo


  • Zoma 14 Novambra 2014

Sesilany indray ny asan-dahalo ao amin’ny Distrikan’i Mandoto. Saika isak’alina dia ahenoana izany indray tato ato, ankoatry ny sakan-dalana ataon’ireo jiolahy amin’ny fiara mpitatitra amin’ny lalam-pirenena.

Nitrangana asan-dahalo nahery vaika indray ny  alin’ny talata 11 novambra lasa teo dia tao Ambohitsara, kaominina Mandoto. 40 teo ho eo ireo andian-dahalo indray nanafika tao an-tanàna ka ny 15  lahy nitondra basy. Lasan’ireo dahalo tamin’izany ny omby an-jatony tao an-tanàna. Rehefa lasa ireo dahalo vao niantso ny miaramila sy ny zandary tao Mandoto ny fokonolona ka tsy ela dia raikitra ny fanarahan-dia. Nananosarotra ireo dahalo ny fandroahana ireo omby marobe izay taitra tamin’ny poa-basy satria niparitaka ireo omby. Efa fantapantatry ny zandary ny lalan’ireo dahalo mialoha ny hiampitana ny ranon'i Mania. Nambenan’izy ireo teo amin’ny kizo ireo dahalo, raikitra ny fifampitifirana ary dahalo roa lahy no lavon’ny miaramila sy zandary ary roalahy hafa naratra saingy nobatain’ireo namany izy ireo. Azon’ny fokonolona sy ny Miaramila ireo omby satria nanavotra aina ireo dahalo. Omby iray kosa no fantatra fa novonoin’ireo dahalo teny an-dalana. Amin’izao fotoana moa dia manomboka miverina ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny Miaramila rehefa misy hetsika any an-toerana raha toa narisarisa izany teo aloha noho ny filazana fa misy ny resaka kolikoly amin’ny dahalo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • ActualitĂ©s
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalĂ na

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT