Actualités

Ambohitrolomahitsy Fianakaviana avy nandevina notafihin’ny dahalo


  • Zoma 15 Janoary 2016

Mandry andriran’antsy avokoa ireo mponina any amin’iny faritra Ambohitrolomahitsy iny amin’izao fotoana izao. Fianakaviana iray nandeha fiara avy nandevina mantsy no notafihin’ny dahalo ny alatsinainy teo, raha araka ny vaovao azo.

 

Nosakanan’ireo jiolahy ny fiara nandehanan’izy ireo, tranga niseho tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva. Tsy namelan’ireo jiolahy ilay fiara raha tsy nijanona ka noteteziny avokoa ireo mpandeha tao anatiny. Vokany, lasan’ireo jiolahy avokoa ny vola sy ny fananana tany amin’izy ireo. Na izany aza, efa nisy avy hatrany ny fandraisan’andraikitry ny tompon’andraikitra ka fantatra fa dahalo miisa valo no efa voasambotra amin’izao fotoana izao ary mbola karohina ny ambiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT