Actualités

Ambohitrimanjaka Nandriaka ny ra, raikitra ny fifamonoana


  • Zoma 18 Oktobra 2019

Sakoroka sy ra mandriaka no nanamarika an’Ambohitrimanjaka omaly takariva.

 

Efa nanomboka ny maraina ny lonilony teo amin’ny vahoaka sy ny mpitandro ny filaminana. Nisy nanimba zavatra ny maraina, azo sary dia nosamborina. Nisy mantsy ny fikasan’ny fanjakana hametraka ny tetezana hoenti-manamora ny fanotofana ny tany, ka io no notoherina sy nampiakatra ny maripanan’ireo vahoaka nanohitra. Nilaza kosa ny mpitandro filaminana fa ny hariva dia nisy andian'olona nitaky ny hamotsorana ny voasambotra, avy eo nisy nitora-bato ireo zandary teo. Niezaka niala ny zandary fa efa nisy naratra dia nampiasa “grenades lacrymogènes”. Lany ny “grenades” satria tsy nampoizina haharitra. Dia tamy ireo mpanafika nahery setra, nanao “tirs en l'air” dia mety nisy nanao “tirs dans les jambes” koa, hoy ny fanazavana avy amina mpitandro filaminana. Zandary roa naratra noho ny “cafouillage”, nisy roa tsy hita. Natao ny fikarohana dia hita ireo roa naratra mafy ireo ka efa any amin’ny hopitaly, hoy ny avy amina mpitandro filaminana. Nihavory kosa ny olona noho ireo namany izay nosamborina. Raha ny fampitam-baovao mivantana azonay avy eny an-toerana kosa dia 6 no voasambotra sy notazonina tao amin’ny garazy mangamanga fitoeran’entana. Io fisamborana io no vao mainka niteraka fahavorian’ny vahoaka, raha ny fanazavana hatrany, ka nihamafy ihany koa ny fanakanan-dalana noho ny hatezerana. Niitatra ny gidragidra satria samy nanana ny olony lasibatra na ny an-daniny na ny an-kilany, ka nirefodrefotra ny lakrimozenina sy ny poa-basy tsy nifandrenesana. Olona 3 no naratra vokatr’izany, ka nisy tamin’ireo no voatifitra, raha ny vaovao vonjimaika. Samy tsaboina etsy amin’ny HJRA Ampefiloha na ilay zandary voa mafy teo amin’ny lohany na ilay olona voatifitra teo amin’ny tongony. Raha ny vaovao vonjimaika ihany koa dia voalaza fa nisy mpanao gazety naka sary nalaina an-keriny ny fakantsariny ary nofafana avokoa ny sary voarakitra tao. Andrasana ny mety ho fanampim-panazavana eo anatrehan’ity toe-javatra iray ity. Tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina, dia efa milamindamina teny an-toerana, efa miroso tamin'ny fanaovana "Patrouille" ny avy eo anivon'ny zandarimaria, 4 ny zandary naratra ka ny iray naiditra tao amin’ny sampana fameloman’aina na « Urgence » manaraka fitsaboana, 9 ny olona voasambotra, raha ny fanampim-baovaon’ny Kolonely Ravoavy Zafisambatra avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

Efa nandraisana vola ? Misy manipy hoditr’akondro ny filoha ?

Tena mafana io raharaha io amin’izao fotoana izao, kanefa tsikaritra ho tsy mitsitsy sy vao mainka mihenjana ny fanjakana na dia miakatra aza ny hatezeran’ny olona. Mety efa nisy ny fandraisam-bola be tany ho any nataon’ny fanjakana na tompon’andraikitra ara-panjakana, ka tsy afa-mihemotra intsony. Mety ho politika avo lenta handotoana ny filoha ihany koa, ka misoko mangina ny olona ambony mety manana hambom-po politika, rehefa potika eo i Andry Rajoelina. Zary lasa ny mpitandro filaminana sy ny vahoaka anefa no mifamono ka mila jerena.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

  • Nanome
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fahazoan-dalana tsy ara-dalàna

  • Tetik'asa WASH
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Mpianatra miisa 138 517

  • Eliana Bezaza
  • Zoma 16 Oktobra 2026

"Tsy ny PRRM velively

Hijery ny tohiny
FTT