Ao anatin’ny fanilihana noho ny tombontsoan’ny rehetra (expropriation pour utilité public) dia tokony hisy ny fakan-kevitra natao hatramin’ny voalohany fa tsy natao,
hoy i Eric Randrianaivo mpitondra tenin’ny vahoakan’Ambohitrimanjaka. Misy iny minisitra vaovao iny ka tsy hay izay hiseho ato ho ato. Tsy nisy mihitsy fifampiresahana hatreto, ary ny mifanohitra amin’izany aza no renay hoe: misy teknisianina mitady hidina hanao letrezana eny Ambohitrimanjaka, hoy izy. Eo ny olana satria tsy misy fampiomanana, tsy misy na inona na inona, ka miteny izahay hoe tsy dia mety. Anisan’ny hetsika fampahafantarana fa tany tsy tokony hototofana fa lemaka mamokatra izao ataonay izao, hoy izy nandritra ny fanolorana vary ho an’ny traboina nataon’izy ireo. Tsy manohitra be fahatany fa efa manatona ireo andrim-panjakana toy ny CNIDH mpiaro ny zon’olombelona, ny CRAAD-OI momba ny fiarovana ny tany,… ary tsy ny tetikasa fampandrosoana no toherina fa ny tsy hamotehana ny fivelomana. Tsy pi-maso amin’ny fanjakana iny tolo-tànana iny fa tena fanokafana ny mason'ny mpitondra mihitsy hoe tanimbary tena mamokatra Ambohitrimanjaka sy ny kaominina manodidina azy, lova sarobidy sy vakoka, ka tsy tokony hototofana, hoy hatrany i Eric Randrianaivo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.