Actualités

Ambohitrandriana Marihivana Bejofo Mitombo ny ankizy voan’ny Ambalavelona


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Mahatratra 9 ankehitriny ireo ankizy voan’ny Ambalavelona any amin’ny fokontany Ambohitrandriana Marihivana kaominina Bejofo distrikan’Ambatondrazaka. Ankizivavy manodidina ny 11 hatramin’ny 17 taona izy ireo. Rehefa mihetsika Ambalavelona ireo ankizy dia manonona anarana olona iray ao an-tanŕna.

  

 

 

 Io olona voatonona anarana io dia malaza ho mpanao fanafody gasy ao an-tanàna. Rehefa nandeha hizaha azy tao an-tranony ny tangalamena tao an-tanàna dia efa tsy tratra tao izy fa nilefa tany Ambatondrazaka. Ireo fanafody gasy rehetra tao an-tranony no nalain’ireo tangalamena sy ny mpitandro ny filaminana. Hita tao an-tranon’ilay rangahy ny saribakoly roa fanaovana ambalavelona sy ny omby tanimanga niaraka tamin’ny tandrok’omby ary basy izay fantatra fa fanamboarana ody bala ho an’ireo jiolahy mpandeha ao aminy. Miantso ny mpitondra mahefa mba handray fepetra mahakasika io olona ambara ho mpanao Ambalavelona io ny mponina any an-toerana. Omaly no fantatra fa nidoboka am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka ilay rangahy sy ireo olona nampiantrano azy. 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT