Actualités

Ambohimandroso-Antanifotsy Misy mihinan’olona ?


  • Talata 26 Janoary 2016

Niely fatratra ny tsaho nandritra ny herinandro vitsivitsy izay fa hoe mihanaka be ny fihinanana olona na « cannibalisme » any amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimandroso, distrikan’Antanifotsy Faritra Vakinankaratra.

 

Rehefa natao ny fanadihadiana ifotony dia fantatra tamin’ny vaovao marim-pototra azo fa nisy tokoa io fihinanan’olona io saingy nabontsin’ny mpanely azy tamin’ny resabe nataony ny resaka. Raha tsorina dia valifaty nataona olona iray mipetraka any amin’ity kaominina ity tamin’ireo nanao fitsaram-bahoaka taminy tamin’ny trangan-javatra nitranga vao haingankaingana ihany ilay izy, araka ny filazan’ny vavolombelona iray. Voapanga ho nampiasa ody mahery namosaviana tao an-tanàna ity lehilahy ity ka nosamborin’ny andian’olona vitsivitsy ka notapahin’izy ireo ny tanany. Tadidin’ity olona notapahin-tanana ity daholo ireo nanatanteraka ny asa ka rehefa nisy nifanatri-tava taminy taty aoriana dia nokaikeriny avy hatrany ho famaliana faty noho ny tsy fananany tanana hampiasaina intsony. Io ihany izany ilay fanekerana olona niseho tany Ambohimandroso fa tsy nisy fanampiny intsony, araka ny feo naely. 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT