Tonga nijery ireo traboina eny amin’ny fokontanin’Ambohimanatrika Tanjombato omaly ny depiote Raharimanarivo Voahangy voafidy teny amin’ny distrikan’Atsimondrano sy ny ben’ny tanŕnan’i Tanjombato Rakotondrabe Maurice ka sady nankahery azy ireo no nitondra ny tsirambin’ny tanana toy ny vary sy savony.
Manodidina ny 1300 isa mitoby ao amin’ny Epp Ambohimanatrika sy amin’ny tranolay telo eo an-kilany ankehitriny ireto traboina. Marihina fa ny trano fianarana ao amin’ny Epp Ambohimanatrika, aty amoron’ny arabe izay efa teo taloha, no nanatobiana ireo traboina ireo fa ilay trano be vavao vao notokanana tamin’ny taon-dasa dia dibo-drano tanteraka ihany koa miaraka amin’ny bassin fanasan-damba sy ny trano fivoahana sy fidiovam-pokonolona. Tsy afa-mianatra ny mpianatra ao amin’ity Epp ity noho izany ka sahiran-tsaina tokoa ireo ray aman-dreny. Marihina fa tsy nikely soroka mihitsy ny depiote Raharimanarivo Voahangy mitety ireo faritra ao Atsimondrano misy traboina noho ny fiakaran’ny rano tamin’ny fisian’ny rivodoza Chedza iny. EFa voatsidiny Itaosy, Ampitatafika, Anosizato ary Isoavina nialoha an’Ambohimanatrika ary samy nitondrany fanampiana avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.