Actualités

AMBOHIMANARINA


  • Alakamisy 21 Aprily 2016

Mitaraina ny mponina ao amin’ny Fokontany Antanety Avaratra Ambohimanarina Antananarivo amin’ny fikasana orinasam-pifandraisan-davitra iray hametraka “pylône” amina tranon’olon-tsotra eny an-toerana.


  Misy fanangonan-tsonia ataon’ny mponina hisakanana ny fanatanterahana izany, “noho ny antony ara-pahasalamana”, araka ny ahiahin’izy ireo.

MANAKARA
Nofantsihin’ireo mpampianatra FRAM ny varavaran’ny biraon’ny Foibem-paritry ny Fanabeazam-pirenena (DREN) Vatovavy Fitovinany nandritra ny hetsika nataon’izy ireo omaly. Norovitin’izy ireo ihany koa ny ankamaroan’ny antontan-taratasy tao amin’ny birao, ho fanoherana ny fandraisana mpampianatra ho mpiasampanjakana mifono politika.

MAHAJANGA
Misy ny lamina ho fanatsarana ny lafiny fitaterana amin’ny zotra rezionaly sy suburbaine ao Mahajanga. Tsy maintsy manao fanamiana mitovy avy ireo mpikambana ao amin'ny kaoperativa eny aminy tobim-piantsonana. Noferana ho dimy ihany koa ny isan’ireo mpikambana ao aminy biraon'ny kaoperativa iray, ary tsy maintsy hita eny ambozonan'ireo mpanera kosa etsy andanin'izay ny marim-pamantarana na ny “badge” hanamarinana azy ireo.

ANDREFAN’AMBOHIJANAHARY
Nitrangana hain-trano omaly hariva tetsy Andrefan’Ambohijanahary. Toeram-pivarotana fanaka sy kojakoja fanao amin’ny birao no nirehitra. Nalaky tong any mpamonjy voina avy ao Tsaralalana namono ny afo. Niteraka fitohanan’ny fiarakodia tamin’ny lalam-pirenena fahafito mianatsimo ity loza ity.

FIANARANTSOA
Hotanterahina rahampitso zoma 22 aprily ny lanonana fametrahana samboady sy fanolorana ofisialy ireo loholona voafidy sy voatendry avy ao anatin’ny Faritanin’i Fianarantsoa.

FIARAHA-MIASA 

Hiainga ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ireo tanàna manodidina ao anatin’ny OPCI Ikopa. Anisan’ny sehatra noresahan’ny roa tonta nandritra ny fihaonana omaly teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny fifehezana ny fako sy ny fampisitrahana rano fisotro madio.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT