« Misaotra anareo mijery anay sahirana, hoy ny komitim-pokontany, mba mihinana vary antoandro izahay, hoy ny ankizy ».
Toy izany ny feo re teny Ambohimanandray ny sabotsy teo rehefa tonga nizara vary masaka teny an-toerana ny Centre Rassoul sy ny ekipany. Tsy voaisa ny lovia nozaraina fa nezahana nomena avokoa izay tonga nilahatra ka nanana tapakila. Marihina fa mahita toerana ahitana sokajin’olona sahirana hatrany ny Centre Rassouloul ary afa-po amin’ny tolo-tanana ataony ny vahoaka omeny soa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.