Ny faran'ny volana septambra no tokony hifindra eny amin’ny Toby fiantsonana Ambohimanambola ny zotra mihazo an'i Toamasina sy Toliara, raha eny Andohatapenaka ny zotra mihazo an'i Mahajanga sy Antsiranana.
INDE
Sokatra miisa 146 no sarona tany amin'ny seranam-piaramanidin'i Mumbai (Inde), nalefa an-tsokosoko avy amin’ny zotram-piaramanidina avy aty Madagasikara.
VAVATENINA
Tovolahy roa no nosamborin’ny Andrimasom-pokonolona nangalatra voanio mbola maitso. Nodorana imasom-bahoaka ny entana halatra.
AMBILOBE
Simba ny gropy mpihary herinaratry ny Jirama. raha 1200 kW ny filana ao Ambilobe, tsy afaka manome afa-tsy 500 kW ny gropy mbola miasa amin’izao.
SIMENITRA
Afa-po tamin'ny fanandramana ny solika mavesatra ny orinasa Holcim, ary dia azo heverina ny fihenan'ny vidin-tsimenitra aoriana kely.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.