Trano miisa dimy be izao no indray notetezin’ny jiolahy omaly alatsinainy maraina nanomboka tamin’ny 2 ora teny Ambohimamory Itaosy
Mpivarokena ny telo tamin’izy ireo raha mpivarotra telefaonina sy ireo mpanao “jeux” ireny ny roa ambiny. Raha ny fanazavana azo dia 30 minitra monja no nitetezan’ireo jiolahy ny tokantrano miisa dimy. Miisa dimy koa izy ireo no nanao ny asa ratsy ka ny iray nitondra basy. Tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina ka nanjaka tanteraka izy ireo. Vokany, saika very avokoa ny ankamaroan’ny entana tao amin’ireo tokantrano ireo. Na izany aza tsy nisy ny olona naratra na ny aina nafoy. Tsara ny manamarika fa ny alahady alina lasa teo koa dia tokantrano iray no notafihin’ny jiolahy teny Ambodifasika teny, mbola faritra Itaosy ihany. Lasany tamin’izany ny lelavola mitentina 2 hetsy Ar niampy finday sy firavaka volamena. Raim-pianakaviana iray no voatifitra teo amin’ny lohaliny rehefa niaro ny fananany sy ny vady aman-janany. Antso avo no hatao amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hijery ity firongatry ny asan-dahalo eny amin’ny faritra Itaosy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.