Actualités

Ambohijanaka Hananganana tsena raikitra mendrika ny mponina


  • Alarobia 20 Janoary 2016

Fanamby goavana no hapetraky ny Ben’ny tanànan’Ambohijanaka Ratsimbazafy Alain ho an’ny mponina ao aminy amin’ity taona 2016 ity.

 

 Raha araka ny nambarany dia anisan’ny tetikasa goavana hotontosainy ny fananganana tsena raitra mendrika ho an’ny mponina ao anatin’ny kaominina iadidiany. Ao an-tampon-tanàna no hanaovana izany ka vola mitentina 1 miliara Ar no holaniana entina hananganana ny fotodrafitrasa. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa hotontosain’ny kaominina amin’ity taona ity ny asa fikojakojana ny lalana rehetra manerana ireo fokontany misy. Ho an’ny taona 2015 manokana dia anisan’ny asa goavana sy nisongadina tao amin’ity kaominina iray ity ihany koa ny fahavitan’ny toho-drano roa lehibe toy ny ao Lohanosy sy Mahaimandry, famatsiam-bola avy amin’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fahavitan’ny lalana rarivato mirefy 450 metatra niarahana tamin’ny minisiteran’ny asa vaventy. Mampitohy an’Ambohijanaka sy Ambodiakondro io lalana io. Tsy latsa-danja amin’ireo ny lafiny fampianarana izay nananganana sekoly ambaratonga fototra miisa roa ao Tsilazaina sy Soanavela.

 

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tale
  • Zoma 30 Oktobra 2026

mpanatanteraky ny ONTM

  • Taorian’ny
  • Zoma 30 Oktobra 2026

fandevenana an-janany

  • Creative Minds
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Madagascar andiany faha-3

  • CENTRE
  • Zoma 30 Oktobra 2026

SEMBANA MIJORO

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

Hijery ny tohiny
FTT