Renim-pianakaviana iray 28 taona manan-janaka iray vao 6 taona monja tsy manambady no maty namono tena tamin’ny alalan’ny fihinanana poizina famonoana biby ny talata 23 febroary 2016.
Miasa manao taxiphone eny amin’ny faritra Ambohijanahary no asany fony fahavelony. Ananan’ny orinasa mpampindram-bola vola izy ka tsy vaoveriny izany. Maro ihany koa ireo olona nanana trosa taminy. Ireo no tombanana fa nanosika azy hamono tena. Tsy nisy nanampo ny fanaovany izao fihetsika izao satria izy dia olona tena matanja-tsaina raha ny fijery azy ivelany. Maro no tsy nanampo izao famoizam-pony izao. Olona tena fantatry ny maro izy. Halevina anio zoma 26 febroary eny Analamahitsy ny razana.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.