Actualités

AMBOHIDRATRIMO Nahazo lycée vaovao


  • Talata 03 Febroary 2015

Niampy iray indray ny lycée ao amin’ny kaominina Ambohidratrimo, distrikan’Ambohidratrimo. Omaly no notokanana tamim-pomba ofisialy ny fotodrafitrasa, mitentim-bidy 4 miliara Ar. Ahitana efitrano miisa 13 izy io, izay

marihina fa mitovy fenitra amin’ny sekoly ambaratonga fototra any China. Naharitra 12 volana ny nanamboarana azy. Ny Repoblikan’i China no namatsy vola ny asa tamin’ny alalan’ny fifampiraharahana nataon’ny Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo Rajaonasolo Clovis Arthur. Fantatra tamin’izany ary fa dia ho afaka hiasa avy hatrany ity lycée ity na dia tsy manana trano famakiam-boky sy salle de labo aza. Mpianatra miisa 45 isaky ny efitrano no azony raisina, izany hoe ireo ankizy tsy tafiditra tamin’ireo lycée efa nisy teo aloha, naverina tamin’iny fiatombohan’ny taom-pianarana 2014-2015 iny. Manodidina ny 1 300 isa eo ho eo izy ireo, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna izay heverina fa hanala fahasahiranana ny ray aman-dreny tanteraka. Tonga nanatrika ny lanonana omaly ny ministry ny fanabeazam-pirenena Rabary Paul.

Pati

Légende : Rajaonasolo Clovis Arthur, Ben’ny tanànan’Ambohidratrimo, nandritra ny fitokanana omaly

Sary Nofy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Olona maro efa
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

nosamborina tamin’ny afera sinoa 11

  • Nanao ampamoaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

sy nampiaka-peo PRRM

  • Voahoso-potaka
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

i Tahina Razafinjoelina

  • Randriantsoa Jimmy
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Lasa tsy anatin’ny soa

  • VOVONANA TANTANA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Tokony hijery tsara ireo

  • Fetison
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Rakoto Andrianirina

Hijery ny tohiny
FTT