Lehilahy iray antsoina hoe : Faralahy, monina ao Soamananety no maty voadonan'ny kamio kely iray teny Soamananety
, Firaisana sy distrikan' Ambohidratrimo ny 12 Oktobra lasa teo tamin'ny 2 ora folakandro. Raha araka ny fampitam-baovao avy tamin'ny mpitandro ny filaminana dia nandeha mafy loatra ity fiara kamio kely ity, avy any Anosiala hihazo an'Ambohidratrimo. Vokany, lasibatra tsy fidiny Itompokolahy izay marihina fa nitondra bisikileta. Maty teo no ho eo ity farany noho izany. Anisan'ny tena voa mafy ny lohany sy ny vatany. Noraisin'ny borigadin'ny zandarimariam-pirenena ao Ambohidratrimo ny fanaovana constat sy ny famotorana. Tsara ny manamarika fa eny Mandriambero Ambohidratrimo no monina ny tompon'ny fiara raha ao Talatamaty kosa ilay mpamily.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.