Ankizikely miisa roa no fantatra fa maty nilatsahan’ny varatra teny Ambohidrapeto Itaosy ny alarobia hariva teo.
Raha ny hita dia nivatravatra ny orana teto amin’ny faritra Antananarivo sy ny manodidina ary saika nisy mihitsy aza havandra teny amin’ny faritra sasany ivelan’Antananarivo. Araka ny fanazavana voaray mahakasika ireto zaza maty ireto dia nirava avy nianatra izy ireo no nilatsaka ny orana ary teny an-dalana no nisy ny varatra nipoaka ka tany amin’izy ireo no niantefa izany. Efa mampitaraina ny mponina eny an-toerana moa ny fisiana pylone lehibe iray izay efa matetika misintona varatra. Raha ny fanazavan’ny mponina mantsy dia voalaza fa teo am-pandalovana io pylone io ireo ankizy no nipoaka ilay varatra izay nosintonin’ity farany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.