Miteraka resabe ny raharaha OMACI. Nisy ny fitondrana mpitandro filaminana nandritra ny famindram-pahefana teo amin`ny tale jeneraly teo aloha sy ny minisiteran`ny serasera.
Ny lalàna lah. 2017-011 tamin`ny 26 jolay 2017 nivoaka teo anivon`ny Antenimieram-pirenena no anton`ny savorovoro. Tsara ny manamarika fa ny dingana nolalovan`ny lalàna iray dia miainga avy amin`ny mpamolavola, mandalo filankevitry ny minisitra, mivadika tolo-dalàna, alefa eny amin`ny Antenimiera. Rehefa lanin`ny parlemanta roa tonta dia alefa mankany amin`ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC). Lany soa aman-tsara teo anivon`ity andrim-panjakana ity ny lalàna nananganana ny OMACI. Mbola namoaka didy hampanankery an`io lalàna io ny filoham-pirenena teo aloha Hery Rajaonarimampianina. Ny zava-misy tamin`ny tapaky ny volana aprily lasa teo, foana io lalàna tamin`ny alalan`ny didy hitsivolana ka tapaka fa alefa mankany amin`ny minisitera ny fitantanana, vola (zon`ny mpamorona)… Tsy mbola namoaka ny heviny ny HCC kanefa noterena ny famindram-pahefana. Ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ve no tsy nanao ny asany tamin`ny fandinihana io lalàna io ? Ny lalàna mantsy mialoha izy hanan-kery dia tsy maintsy mandalo amin`ity fitsarana ity. Ny minisiteran`ny serasera sy ny kolontsaina etsy Nanisana anefa mahay noho ny etsy Ambohidahy ka nilaza fa tsy ara-dalàna io lalàna io. Araka izany, ny minisitera indray ve no mampianatra lalàna an`ireo mpikamban’ny HCC ? Ny HCC milaza fa manaraka ny lalàmpanorenana io lalàna io. Ny etsy an-daniny milaza fa tsy manaraka fa toy io ny fandrafetana lalàna momba ny “entreprise à caractere commerciale” fa hafa. Laharampahaamehana ve ny fandravana ny OMACI ka namoahana ny didy hitsivolana ? Raha toy izao kosa aloha ny fomba fiasan`ny fitondram-panjakana dia ho maro ireo raharaha nahazoana valin-teny na vokatra. Ahoana ny tohin`ny raharaha“Villa Elisabeth” sy ARTEC ? Fa maninona no tsy mivoaka ? Raha ny lojika, efa nidoboka am-ponja i Hasimpirenena Rasolomampionona ka tokony hiverina amin`ny fanjaka ny « Villa Elizabeth”,… Ahoana ny tohin`ireo tany nolazaina fa namidy 300 ariary teny Ivato ? Toa nangiana tanteraka.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.