Manjaka ny tsy fandriampahalemana any Ambohiborimanga, izay Kaominina vaovao any amin’ny Distrika Ambatondrazaka.
Ny alin’ny alarobia teo dia omby enina no nalain’ny fahalo, ary notetitetehany tao Ambatosokay. Misesy indray kosa ny vaky trano ao amin’ny Fokontany Feramanga Atsimo, ao amin’io Kaominina io hatrany. Miantso vonjy ny mponina amin’ny alalan’ny Ben’ny tanàna Rabearison, fa mandry tsy lavo loha ny tantsaha, tsy afa-mamokatra noho ny asan-jiolajy.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.