Actualités

Ambohibe Didy Ambatondrazaka Vitan’olon-tokana « Borne » ny tanàna manontolo


  • Alatsinainy 13 Mey 2019

Mitaraina amin’ny tompon’andraikitra mahefa ary nandefa solontena 5 niakatra eto Antananarivo nitatitra ny zava-misy any amin’ny tanànan’izy ireo ny vahoakan’Ambohibe ao amin’ny kaominin’i Didy distrikan’Ambatondrazaka.

 

 

 

Nofaritan-dRabearisosa Jean Alfred  mpitrandraka ala any an-toerana efa hatramin’ny taona 1994 ka nasiany “Borne” tamin’ny taona 2011 ny 150 ha amin’ny tany honenan’ireto mponina  any Ambohibe ireto ary nofefeny tsy azo andehanana intsony ny lalana miditra ao amin’ny tanàna mandala amin’io tany vita “Borne” io ka voatery mitsaka rano izy ireo vao tafiditra ao an-tanàna. Raha ny marina dia tany efa nohajarian’ireto mponina ireto ary nolovaina tamin’ireo raiamandreny nifandimby ity tany ao Ambohibe ity ary voalaza fa anisan’ny faritra tsy azo atao “borne” izany nefa nahagaga ny nahavitan’ity mpandraraha ity an’izany ? Nisy fifanarahana mazava anefa teo amin’ny ben’ny tanànan’i Didy sy ireo fokonolona ary ity mpandraraha ity fa tsy  hasiana “borne” izany ny toerana nefa dia tsy hita tany amin’ny “domaine” izany taratasy izany ka vitan’Atoa Jean Alfred ihany ny nametraka an’ireo “borne” an’ilay tany. Misy raharaha tsy mazava amin’ity resaka ity ka hanaovan’ny mponina fitarainana  any amin’ny fitondrana mahefa ary efa nandefasany fitoriana any amin’ny Bianco.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fandaharam-pirenena
  • Talata 20 Oktobra 2026

momba ny fanatanjahantena

  • Jhona Iberanandrasana
  • Talata 20 Oktobra 2026

- MRM

  • XXL LAST
  • Talata 20 Oktobra 2026

RACE BY CARREFOUR

  • Actualités
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Minisitra Fanirisoa Ernaivo

  • Halatra amin’ny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

fifandraisan-davitra Andrasana hatrany

  • Raharaha
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

famoahana sinoa 11

Hijery ny tohiny
FTT