Nitrangana fanolanana indray tao amin’ny kaominina Ambohibary Sambaina, Antsirabe faharoa ny herinandro lasa teo, tao amin’ny fokontany Faravohitra. Tovovavy kely vao 13 taona monja no naolan’ny lehilahy iray efa ho 53 taona
Mpaka sy mpivarotra itony kitay menaka fandrehetana afo itony no fiveloman’ny fianakaviana misy ity zazavavy kely ity ka mandeha mitety tanàna izy ireo mivarotra izany eny amin’ny manodidina, ary miaraka amin’ny reniny izy amin’izany. Mba nividy kitay menaka ilay rangahy, saingy raha ny fanazavana azo, saingy tsy nentiny teo no ho eo izany fa nasainy naterin’ilay zaza tany an-tranony. Tsy nanam-po na inona na inona ilay zaza sy ny reniny fa toy ny fiangaviana rehetra no nandraisana ny iraka nampanaovin’ilay rangahy. Ela loatra ny iraka nampanaovina ilay zazavavy ka taitra ilay reniny ary nandeha nikaroka azy tany an-tranon’ilay rangahy. Akory ny hagagany fa efa ilay zaza nivoaka ny tranon’ilay rangahy nifokofoko nitomany sy nitaraina ho naolana no novantanin’ilay reny. Nandeha ny fanadihadiana ary hitan’ny mpitsabo nanao ny fitiliana fa simba tanteraka ilay zazavavy kely. Nambaran’ilay zazavavy fa rehefa tonga tany an-tranon’ilay rangahy izy, dia nakatony sy nohidiany ny varavarana ary notampenany ny vavany, ary nanamparany ny filàny teo ny tenany. Nandà sy tsy niaiky ny zavatra nataony moa ilay rangahy saingy efa nanamarina ny fahavoazana ny mpitsabo tany an-toerana ka dia efa natolotra ny fitsarana omaly talata ihany ihany izy ary notanana am-ponja vonjimaika aloha hatreto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.