Nitrangana loza mahatsiravina, omaly, tao Ambodimanga Baka, Kaominina Ambohibary, Distrikan’i Moramanga.
Nivadika teny afovoan’ny rano ny lakana voizin-tanana iray, nitondra olona avy nivavaka tao amin’ny FJKM Ambohimiarina. Vokany, 8 namoy ny ainy, 12 hafa tamin’ireo voavonjy mbola ezahin’ny fokonolona velomina, tamin’ny fotoana nahazoana ny vaovao. Maro koa anefa no tsy hita popoka, noho ny herin’ny rano, araka ny fanazavan’ny Dr Rajaobelina Lova Herizo, solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Moramanga. Tombanana ho ny vesatra nihoatra ny tokony ho zakany nentin’ilay lakana no nitarika ny loza. Anio no hidina any an-toerana ny tompon’andraikitra avy ao Moramanga hanao ny fanadihadiana manodidina ity lakana rendrika namoizana ain’olona maro tany Ambohibary ity.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.