Nitohana ny fifamoivoizana teny Andranomena sy Ambohibao ary Talatamaty omaly tolakandro, ny antony dia nisy lozam-pifamoivoizana nitranga teo amin’ny lalana midina an’Ambohibao mankany Imerinafovoany
Fiara marika Golf iray somary nandeha mafy no nandona mpitaingina bisikileta. Raha ny filazan’ny nanatri-maso ny loza dia saika hitsoaka ilay fiara Golf kinanjo nifanehitra avy hatrany tamina kamio be iray indray ary tonga dia perotra ny lohany ka tafajanona tsy afaka nihetsika intsony. Naratra mafy ary efa nentina teny amin’ny toby f itsaboana ilay mpitondra bisikileta, fantatra raha ny filazan’ny olona teny an-toerana fa fiara vaovao vao nahazo laharana mihitsy ity Golf ity, nisy fofona zava- pisotro misy alikaola ireo roalahy tao anatiny, asa angamba mety nikasa ny hanao arôzazy tamin’ny fiara vaovao kinanjo nidiran-doza !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.