Actualités

Ambodivona Lasan’ny jiolahy ny 12 tapitrisa Ariary


  • Alatsinainy 03 Aprily 2017

Lasibatry ny jiolahy mitam-basy ny toeram-pivarotana kojakojan’ny fiara iray teo Ambodivona-Antananarivo faha-3 ny marainan’ny sabotsy teo.

Niditra toy ny mpanjifa ireo jiolahy vao nivoha ny magazay. Nony tao anatiny dia nandrahona tamin’ny basy sy nandratra ny mpiasa izy ireo, sady nandroaka ny vola rehetra tao anaty mangazay. 12 tapitrisa Ariary sy finday roa, an’ny tranombarotra sy an’ny mpiasa no lasan’ireo jiolahy. Nivoaka mora toy ny tsy nisy inona izy ireo, taorian’izay. Voarakitra an-tsary tamin’ny “caméra de surveillance” avokoa ny endrika sy fihetsik’izy ireo tao anaty mangazay, ka heverina fa hanamora ny fikarohana ataon’ny mpanao fanadihadiana. Voalaza rahateo fa mpiambina ao ihany ny sasany tamin’ireo jiolahy nanafika.

 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

  • Afera boeing
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

mety hafindra ady heloka bevava

  • Afera sy halatra tany,
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

fanararaotam-pahefana,…

  • COMESA Media Award
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

Lasan’ny mpanao gazety

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

Hijery ny tohiny
FTT