Mitaraina ny mponina eny amin’ny faritra Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny fa dia mivezivezy malalaka ny rongony. Na ireo mpifoka na ireo mpividy mantsy, hoy izy ireo, dia tsy miafina intsony fa dia manao ny ataony tsy misy tahotra
. Misy ihany ny fitarainana atao amin’ny fokontany saingy iretsy farany noho ny tahotra angamba dia milaza tsy mahefa na inona na inona. Manoloana izany dia maneho ny fitarainany ireto mponina ireto mba hijerena akaiky ny toe-draharaha satria azo lazaina fa faritra mena amin’ny fanendahana sy vaky trano ny eny Ambodin’Isotry sy ny manodidina iny. Anisan’ny mampirongatra izany ny fisian’ireo zava mahadomelina mivezivezy malalaka ao an-toerana. Vao tsy ela akory mantsy izay dia nahitana trangana fanendahana teny an-toerana ka tovolahy iray no lasibatra tamin’izany.Voalaza fa very tamin’izany ny finday sy ny vola teny aminy. Ary tsikaritra tamin’izany fa mponina teo amin’ny manodidina ihany ireo nanao asa ratsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.