Teratany karana iray tompona tranombarotra no maty notifirin’ny jiolahy miisa enina teo amin’ny masony sy ny tratrany ny sabotsy tamin’ny 12 ora antoandro teny Ambodin’Isotry.
Nitondra basy kalach ny efatra tamin’izy ireo raha nitondra pistolet automatique kosa ny iray niaraka tamin’ny namany iray nitondra sabatra. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tranombarotra izy ireo ka raikitra ny fifandonana. Efa nilanja sakôsy izay voalaza fa feno vola ireo jiolahy no nivoaka tao, efa nifantsitsitra eran’ny trano kosa ny ran’ilay karana. Tsy nisy tahotra mihitsy izy ireo, hoy ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina. Mbola nandeha an-tongotra moramora nihazo an’Ambodifiakarana mantsy izy enin-dahy ireo sady nanapoaka basy ihany koa. Tara loatra ny mpitandro ny filaminana izay 30 minitra taorian’ny nitrangan’ny asa fanafihana vao tonga. Nihorohoro avokoa ireo teratany karana mpivarotra teny amin’ny manodidina, eny fa na dia hatreny Analakely aza. Nanidy ny trano fivarotany mihitsy ny sasany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.