Potika ny lalana, mivangongo ny fako, mirongatra ny mpanao sinto-mahery. Toerana iray tena hitobian’ny haratsiana eto an-drenivohitra ny etsy Ambodin’Isotry raha fehezina.
Ankoatra ny haratsian’ny lalana izay mampitaraina ny maro mantsy dia mivangongo ihany koa ny loto, feno mpivarotra amoron-dalana ny lalan’ny mpandeha an-tongotra … Raha araka ny fanadihadiana nataonay teo anivon’ny fokontany Ambodin’Isotry Cité dia fokontany telo no mampiasa io lalana etsy Ambodin’Isotry io dia ny IVO, Antetezanafovoany, ary Ambodin’Isotry Cité. Ny taona 2009 sy 2010 tany ho any no nisy fanamboarana farany izy io raha ireo ankizy mpikarama sy olona sahirana sisa no manentsina ny lavaka amin’ny biriky. Efa im-betsaka ny nanao fangatahana tamin’ny fanjakana izahay, hoy hatrany ny fokontany ny amin’ny tokony hanamboarana azy io saingy tsy nisy valiny. Mikasika ny loto mivangongo manokana dia nambaran’izy ireo fa efa samy manana ny mpanadiony ny fokontany tsirairay saingy na izany aza miankina amin’ny kaominina ihany koa ny fitaterana ny fako rehetra anatin’ny daban-jaoridira. Momba ny sinto-mahery indray izay tena mampalaza ity faritra ity dia fantatra fa mahatratra folo isan’andro amin’izao ireo olona lasibatra ka misy amin’ireo lasibatra no misy mahita mihitsy no hanendahan’ireo mpanao ratsy azy saingy tsy misy sahy manavotra na manampy. Na izany aza dia fantatra fa efa miara-miasa akaiky amin’ny polisin’ny boriborintany fahefatra izy ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.