Lalana mirefy 270 metatra ao amin’ny fokontany Amboatavo, kaominina ambanivohitra Ambavaditokana no vita rarivato. Ny Sabotsy lasa teo no notokanana tamim-pomba ôfisialy ny asa vokatry ny fiaraha-miasan’ny kaominina sy ny fikambanana ANEFI
Mizara roa miavaka tsara izy ireo izay marihina fa samy hampiasan’ny mponina avokoa isan’andro. Ny ampahany voalohany mirefy 150 metatra raha 120 metatra kosa ny ampahany faharoa. Na izany aza anefa dia nambaran’ny Ben’ny tanàna Ratoetrarinianja Jean Louis fa mahatratra 3 km ireo lalan-dratsy tokony hamboarina ao amin’ny kaominina iadidiany saingy ny ho enti-manana no tsy misy. 10 tapitrisa Ar no teti-bidin’ny asa fanamboarana. Tanjona ny hahafahan’ny mponina mamoaka ny vokatra araka ny tokony izy izay ny 90 % dia tantsaha avokoa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.